FILAZANA HO AN'NY FANOMBOHANA NY FAMENOANA ATONTA-TARATASY FANGATAHANA VISA AMIN'NY ATERONETO ARY FAMANDRIAM-POTOANA AMIN'NY ATERONETO
2018-07-12 00:45

Mba hanamorana be be kokoa ny fangatahana "Visa"; nanomboka ny voalohan'ny volana jolay 2018, ny Masoivoho'ny Chine eto Madagasikara sy ny "Foibe Fangatahana Visa" eto Antananarivo dia manome ireo mpangataka "Visa" tolotra vaovao izay momba ny famenoana antonta-taratasy fangatahana amin'ny ateroneto. Ny "Foibe Fangatahana Visa" eto Antananarivo koa dia manome tolotra famandriam-potoana ho an'ireo mpangataka "Visa" ao aminy.

1. Ho an'ireo mpangataka "Visa" hiditra ao Chine dia hiangaviana hiditra ao amin'ny tranokala "www.visaforchina.org" hameno ny antonta-taratasy rehetra, ka hamoaka izany avy eo, ary hanao sonia. Manomboka ny voalohan'ny volana Aogositra,ny Masoivohon'ny Chine eto Madagasikara sy "Foibe Fangatahana Visa" eto Antananarivo dia tsy mandray antonta-taratasy fangatahana "Visa" hiditra ny Chine nofenoina tamin'ny tànana intsony.

2. Raha angataka "Visa" hiditra ny Chine ianao ka mampiasa Pasipaoro tsotra dia midira ao amin'ny tranokala "www.visaforchina.org" ka hitsidika ny pejy mikasika ny famandriam-potoana izay hita rehefa manindry ny hoe "Accès direct" hanendrena ny fotoana hanaterana ny fangatahana. Ento ny taratasy fangatahana nofenoina sy navoaka ary natao sonia miaraka amin'ireo taratasy hafa ilaina amin'ny fangatahana ka hatero eny amin'ny "Foibe Fangatahana Visa" eto Antananarivo. (Toerana misy ny "Foibe Fangatahana Visa":55-103-A,55-104-A,Golden Business Center, Building B, ground floor, Morarano Alarobia Antananarivo,laharana an-tariby:+261 202332116,mailaka:madagascarcenter@visaforchina.org)

3. Ho an'ireo mihazona pasipaoro diplaomatika na pasipaoron'ny serivisy, mangataka "Visa" diplaomatika, visa ho an'ny serivisy na visa ho an'ny fitsidihana malalaka dia ento ety amin'ny Masoivoho'ny Chine eto Madagasikara ny taratasy fangatahana nofenoina tamin'ny ateroneto sy navoaka ary natao sonia miaraka amin'ireo taratasy hafa ilaina amin'ny fangatahana "Visa" mandritra ny ora fiasana (Alatsinaina, Alarobia, Zoma maraina, amin'ny 9:30 ka hatramin'ny 11:30)

4. Ireo mangakata visa na fazahoan-dalana mankany amin'ny Fari-piadidiana manokana Hongkong, tonga dia afaka manatitra avy hatrany ny fangatahanareo ety amin'ny Masohivohon'ny CHINE eto Madagasikara mandritra ny ora fiasana (Alatsinaina, Alarobia, Zoma maraina, amin'ny 9:30 ka hatramin'ny 11:30). Tsidio ny tranokalan'ny Masoivoho ahitanao ny taratasy fenoina amin'ny fangatahana (http://mg.chineseembassy.org \ Services Consulaires \ Formulaires à télécharger).

     Mankasitraka hatrany ny fahazoana sy ny fiaraha-miasa.

 

                                                                                                                                                          Masoivohon'ny Chine eto Madagasikara

                                                                                                                                                                                 11 Jolay 2018

 

 

Recommander à:   
Imprimer