FILAZANA MONBA NY FANGATAHANA VISA SINOA
2018-08-07 01:43

Araka ny lalàna sinoa sy fitsipika manan-danja, ny Masoivohon'ny Chine eto Madagasikara dia mampilaza antsika rehetra, izay mangataka "Visa" ho an'ny Chine, ny fepetra vaovao amin'ny fangatahana "visa" izay miditra amin'ny fametrahana petatondro folo.
Manomboka ny voalohan'ny volana aogositra 2018 dia ireto avy no toromarika omena ireo mangataka "visa" ho an'ny Chine:

1. Ireo mpangataka "Visa" mankany Chine rehetra (ao anatin'izany ireo tompona pasipaoro diplaomatika, pasipaoron'ny servisy) dia mila mameno ny antonta-taratasy fangatahana amin'ny ateroneto (adiresy: www.visaforchina.org) mamoaka ny pejy fanamarinana ny fangatahana sy ny antonta-taratasy fangatahana izay atao sonia.

2. Manasa ireo tompona pasipaoro tsotra (tsy voakasik'izay ireo mahafeno ny fepetra amin'ny fangatahana "Visa" diplaomatika, "Visa" ho an'ny serivisy na "Visa" ho an'ny fitsidihana malalaka) amandrika ny fotoana anaterana ny antonta-taratasy amin'ny adiresy ateroneto www.visaforchina.org, ary hitondra manokana ny antonta-taratasy fangatahanao "Visa" eny amin'ny "Foibe Fangatahana Visa Ho an'ny Chine" eto Antananarivo, ary anao ny petatondro.

Ireo latsaky ny 14 taona, na mihoatra ny 70 taona, ireo tsy manana ratsan-tanana intsony na koa tsy hitan'ny vata fandraisana petatondro, ireo efa nametraka ny petatondrony tao amin'ny "Foibe Fangaatahana Visa Ho an'ny Chine" eto Antananarivo nandritra ny 5 taona ka tsy niova pasipaoro; dia tsy voatery mametraka petatondro intsony.

3. Ireo mihazona pasipaoro diplaomatika na pasipaoron'ny serivisy, mangataka "Visa" diplaomatika, "Visa" ho an'ny serivisy na "Visa" ho an'ny fitsidihana malalaka dia manatitra  ny fangatahana ety amin'ny Masoivohon'ny Chine eto Madagasikara. Ireo manana pasipaoron'ny serivisy ka mangataka "Visa" ho an'ny fitsangatsanganana dia voatery ametraka ny petatondron'ny ratsan-tanana folo.

4. Ireo mangakata visa na fazahoan-dalana mankany amin'ny Fari-piadidiana manokana Hongkong, dia tsidio ao amin'ny tranokalan'ny masoivoho ny taratasy fangatahana. (http://mg.chineseembassy.org \ Services Consulaires \ Formulaires à télécharger), rehefa feno tsara, dia afaka aterina avy hatrany ety amin'ny Masoivohon'ny Chine miaraka amin'ny antonta-taratasy fanampiny ilaina amin'ny fangatahana. Tsy mbola ilàna fametrahana petatondro hatreto.

Adiresy misy ny "Foibe Fangatahana Visa" :55-103-A,55-104-A,Golden Business Center, Building B, ground floor, Morarano Alarobia Antananarivo,Laharana an-tariby:+261 202332116,mailaka: madagascarcenter@visaforchina.org)

Fotoana fiasan'ny Masoivohon'ny Chine eto Madagasikara: Alatsinaina, Alarobia, Zoma maraina, amin'ny 9:30 ka hatramin'ny 11:30

Mankasitraka hatrany ny fahazoana sy ny fiaraha-miasa.

 

 

Recommander à:   
Imprimer